VAVAKA FANGATAHANA NY HANANDRATANA HO OLONTSAMBATRA AN’I VENERABLE PAULINE MARIE JARICOT, MPANORINA NY ASA FAMPIELEZANA NY FINOANA
Ry Tompo Andriamanitra Ray ô, nampitsirinao tao amin’ i Pauline Marie Jaricot, ny fanorenana ny Asa Fampielezana ny Finoana sy ny Raozery Velona ary koa ny fikatrohany teo amin’ny tontolon’ny mpiasa. Hafangaino re ny andro hahafahan’ny Eglizy mankalaza ny fahamasinam-piainany. Mba ataovy mahatarika kristianina maro hanolo-tena ho an’ny Evanjely ny ohatra navelany, ka hahitan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny olombelona rehetra amin’izao andronay izao, ny fitiavanao tsy misy fetra miseho ao amin’i Jesoa Kristy Tomponay, izay velona sy manjanka, miaraka Aminao ao amin’ny fiombonan’ny Fanahy Masina mandrakizay mandrakizay. Amen