Oeuvres
Marie Pauline Jaricot

Mpanorina ny Asa Fampielezana ny Finoana ny taona 1789(Oeuvre Pontificale de la Propagation de la Foi)
Loharano nipoiran’ny Asa Fampielezana ny Finoana:
1 – Ny vavaka
2 – Toriteny reny tany am-piangonana
3 – Zava-nisy ara-tantara (korontana ara-politika, ny firehan-kevitra vaovao maro nipoitra tetsy sy teroa…)
4 – Firotsahana an-tsehatra
Fomba nentiny nanohana sy nampivelarany ny Asa Fampielezana ny Finoana:
1- Fampiroboroboana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eran-tany.
2-Fanampiana amin’ny fanorenana ny fiangonana na fanamboarana trano ilaina amin’ny fanentanana; fampitaovana ny Misiôna, fanofanana katesista.
Ny volana OKTOBRA no natokana hankalazana ny
ASA FAMPIELEZANA NY FINOANA
Jeanne Bigard

Mpanorina ny Sampan'Asan'i Md Piera Apôstoly(Oeuvre Pontificale de Saint Pierre Apôtre)
« Ho renin’ny pretra marobe tsy tambo isaina amin’ny tany misiôna » io no lalana tsapany fa niantsoana sy nanirahan’Andriamanitra azy
Antom-pijoroan’ny sapan’Asan’i Md Piera Apôstoly
1 – Hampijoro ary hampiroborobo ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy Relijiozy amin’ny tany misiona.
2 – Miezaka mitondra fanampiana mivantana ho an’ny asa misiona eran-tany ampinoana sy fahatokisana ny Fanahy Masina.
3 – Manentana ny mpikambana hivavaka am’pinoana mba hitombo zotom-po hitia sy hanompo maimaipoana ny Pretra sy Relijiozy teratany, ka ho afaka hampibebaka ny mpiary tanindrazana aminy.
Ny Alahadin’ny « Mpiandry ondry tsara » no natokana hanentanana sy hanangonana izay foy hanoanana ny Asan’
i Md Piera Apôstoly
Mgr Charles August Marie de FORBIN JANSON

Mpanorina ny Asan'ny Ankizy Iraka Mpitory ny Vaovao Mahafaly Eran-tany(Oeuvre Pontificale de L'Enfance Missionnaire)
Tanjon’ny Sampan’Asan’ny Ankizy Misionera:
1 – Mamelona, mikolokolo, ary manabe ny toe-po sy toe-tsaina misionera ao amin’ny ankizy hahatonga ho olon’ny Fiadanana sy olon’ny famindram-po
2 – Mikolokolo sy mamelona ny fiainam-pinoan’ny Ankizy
3 – Manabe azy hizara maimaimpoana ny fahaiza-manaony, ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ny talentany, ny vola ananany…
4 – Ankizy mamonjy ny Ankizy toa azy amin’ny alalan’ny fifanoloran-tanana amin’izay atao rehetra sy iainana
5 – Ankizy Apôstolin’ny Ankizy amin’ny alalan’ny vavaka, ny famindram-po, ny fisokafana amin’ny hafa.
Ny Epifania no andro natokana hankalazana maneran-tany ny
Andron’ny Ankizy Misionera.
Père Paolo MANNA

Mpanorina ny Fiombonan'Asa amin'ny Papa ho an'ny Misiona(Union Pontificale Missionnaire)
Anton’ny nanorenana ny « Fivondronan’ny Pretra Iraka »
1 – Zava-misy: Fisarahambazan’ny samy kristianina
2 – Tsy fahalalana ny antony hitoriana ny VAOVAO MAHAFALY
3 – Ny fialangalanan’ny Pretra amin’ny asa maha-misiônera
4 – Ny fahabangan’ny toe-tsaina sy toe-po misiônera.
Tanjona sy Fomba fiasa
1 – Fanetsiketsehana sy fanofanana ho Pretra sy Relijiozy amin’ny Asa maha-iraka
2 – Mifandray sy miara-miasa amin’ny Direktera sy ny Sekretera Nasionalin’ny O.P.M
3 – Mampiofana ny olona hitory ny vaovao Mahafaly
Ny 2 Febroary no natokana ankalazana azy