VAVAKA HO AN’NY VOLANA MISIONERA MIAVAKA OKTOBRA 2019
Ry Andriamanitra Ray Mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay o ! Ianao naniraka ny Zanakao lahitokana mba hamonjy izao tontolo izao. Niantso mpianatra maro tamin’ny alalan’ny zanakao ianao nandritra ny taonjato mifandimby mba hanohy ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ary mandraka ankehitriny dia tsy mitsahatra miantso olona maro hiara-miasa aminao hatrany ianao, mba tsy hisy ho very izay rehetra mino.
Koa mihanta Aminao izahay, amin’izao fankalazana ny faha-100 taonan’ny taratasy Apostolikan’ny Papa Benoit XV momba ny asa misionera ataon’ny Fiangonana izao. Omeo anay ny fo misionera mahay mitory ny Vaovao Mahafaly amin’izay toerana sy sehatra misy anay tsirairay avy. Mba havaozy mandrakariva ny hafanam-po sy ny fitiavana lalina te-hijoro ho vavolombelon’ny Evanjely. Tsilovin’ny Fanahinao Masina izahay, mba hahafahanay mampita ny finoana eo amin’ny fiaraha-monina misy anay.
Aoka izahay rehetra vita Batemy mba hanana toe-po, toe-tsaina toe-panahy misionera-iraka, ho be fitiavana hanompo Anao sy ny olombelona rehetra, ka ho Kristianina, vita batemy sy irahina, sahy mijoro amin’ny marina sy mampanjaka ny fiadanana. I Masina Maria Reny anie hanampy anay mandrakariva eo ampanatontosana izany, miaraka amin’i Md. Fransoa Xavier sy Mb. Teresin’i Jesoa Zazakely mpiaro ny misiona. Amin’ny alalan’ny Jesoa Kristy Tomponay no angatahanay izany. Amen.
– Rainay any an-danitra……
– Arahaba ry Maria……..
– Voninahitra anie………
– Md. Francois Xavier, mpiaro ny misiona……….
– Mb. Terezin’i Jesoa Zazakely, mpiaro ny misiona…….
Imprimatur:
+Mgr José Alfredo CAIRES DE NOMBREGA, Président des OPM